- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversMorondava : Andian-jiolahy nanafika tanàna, olona 1 maty

Morondava : Andian-jiolahy nanafika tanàna, olona 1 maty

Dahalo enina no indray nanafika tanàna iray tao amin’ny fokontany Androvabe, kaominina Bemanonga, Distrika Morondava, ny harivan’ny sabotsy  teo. Araka ny fantatra dia in-droa miantoana mihitsy no nanafihan’ireo andian-jiolahy ireto ity tanana kely ity. Nirongo basim-borona maromaro ireto dahalo ireto, araka ny vaovao voaray hatrany ary tsy nisy fisalasalana nanapoaka izany ho fampitahorana ireo mponina. Lasa tamin’izany ny omby roa tao an-tanàna. Maty voatifitra ireto dahalo ireto kosa ny raim-pianakaviana iray, tompon’omby rehefa sahy nanohitra ny fiavian’ireo dahalo. Am-polony maro ihany koa ny naratra araka ny loharanom-baovao hatrany. Tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana, saingy efa nadio tanteraka ny rano nitan’ireto dahalo ireto. Raha ny vaovao re, mponina eo amin’ireo tanàna manodidina ihany ireo dahalo ireo ary ny sasany tamin’izy ireo aza dia efa voasambotra, saingy tsy fantatra na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana no nahafahany nivoaka indray. Nisesisesy mihitsy ny fanafihan-dahalo tany amin’iny distrikan’i Morondava iny, raha tsy hiteny fotsiny, fa efa nahatratra hatramin’ny dimy no isan’izany ny faran’ny herinandro lasa teo araka ny loharom-baovao.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser