- Publicité -
vendredi, juillet 25, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorondava- Andro ratsy : 859 ireo olona tsy manan-kialofana, betsaka ny...

Morondava- Andro ratsy : 859 ireo olona tsy manan-kialofana, betsaka ny fotodrafitrasa simba

Vokatry ny fiakaran’ny ranomasina sy ny orana nisy teto Morondava, nandritra ny andro vitsivitsy, sy araka ny tatitra nataon’ny CR-GRC eto Menabe, ny zoma faha-25 janoary teo, dia olona 859 mitsinjara ao anatin’ny tokantrano miisa 144 no tsy manan-kialofana ary napetraka vonjimaika amin’ireo toerana ka anisan’izany ny ao Betela, Tanambao,Mosquée, Tranompokonolona ary ny EPP Avaradrova.

Fantatra fa mbola vonjimaika izao tatitra izao, fa mbola mitohy ny fanangonam-baovao ataon’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny manerana ny faritra, toy ny fotodrafitrasam-panjakana simba. Ahiaha ihany koa vokatry ny fiakaran’ny rano, fa mbola hitombo ny isan’ny traboina.  Mandray andraikitra ihany koa, ireo mpitandro ny filaminana, mba hisorohana ny fanararaotana ataon’ny mpanao ratsy. Tsy latsa-danja amin’izany koa ny ao amin’ny fahasalamana ho fisorohana ny aretina.

Anastase

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici