Tokantrano iray no niharan’ny fandrobana, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo, teny amin’iny faritra Morondava Antehiroka iny. Lasa tamin’izany ny vola sy ny firavaka. Nisy basy « calibre 16 », izay an’ny tompon-trano ihany koa nentin’ireo mpandroba.
Telo lahy nitondra zava-maranitra no niditra an-keriny tamin’ity trano ity, araka ny fanazavana azo avy tamin’ny zandarimarim-pirenena, tokony ho tamin’ny misasak’alina tany ho any. Nendahin’ireto olon-dratsy mantsy ny karakara vy izay miaro ny varavaran-kely ary avy hatrany dia niditra tao an-trano izy ireo. Ankevitry ny efa fantatr’ireto olon-dratsy ireto ny fisian’ireto zavatra sarobidy fa indrindra ny fisian’ilay basy tao amin’ity trano ity. Nikarokaroka eran’ny efitra mantsy izy ireo ary tamin’izany no nahitan’izy ireo vola, izay mitentina aman’hetsiny maro, firavaka volamena isan-karazany ary ilay fitaovam-piadiana. Vao azon’ireo, ireo zavatra ireo dia nitsoaka toy ny tsy teo ireto olon-dratsy. Tsy nandratra na ihany koa namono ny tompon-trano.
Rehefa nahatsikaritra an’io fandrobana nihatra taminy io ny tompon-trano, dia niantso ny zandary misahana iny faritra iny, izay tonga haingana teny an-toerana. Amin’ny toe-javatra tahak’izao, hoy ny fanazavana azo tamin’ireo mpitandro filaminana, dia ny fampidinana alika teny amin’iny toerana nitrangan’ny fandrobana no mety indrindra, hitsongoana dia ireo olon-dratsy. Rehefa natao izany dia nijanona teo amina trano iray tsy lavitra ilay tokantrano voaroba ilay alika. Rehefa nosavaina ilay trano dia tsy nahitana n’inona n’inona anefa. Na izany na tsy izany, dia tsy maintsy nentina nalaina am-bavany ihany ireo olona efatra tao, ary nalefa nody nony avy teo. Mbola mitohy araka izany ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy, fa indrindra ilay fitaovam-piadiana izay lasa eny an-tanan’olon-dratsy, ataon’ireo zandary eny an-toerana.
m.L