- Publicité -
jeudi, août 7, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorondava Antehiroka : Tovolahy hita faty, niongotra ny nifiny, ary nivonto ny...

Morondava Antehiroka : Tovolahy hita faty, niongotra ny nifiny, ary nivonto ny filahiany

Tovolahy manodidina ny 23 taona, no hita faty teny amin’iny faritra Morondava Antehiroka iny, nihohoka tao anaty rano mihandrona, ny alahady lasa teo. Raha ny fantatra, araka ny filazan’ireo nanatri-maso, dia tsy nisy nify intsony ity lehilahy ity, toy ny hoe nongotana tanteraka ireny. Nivonto be ihany koa mahalehilahy azy. Ireo mponina nifoha maraina teny an-toerana no nahatsikaritra ity vatana mangatsiaka nitsirara tao anaty rano mihandrona ity, ary niantso avy hatrany ireto tompon’andraikitra teny an-toerana. Ny fizahana nataon’ireto farany ny razana no nahafantarana fa nahitana  mangana teo amin’ny tendany, toy ireny nofatorana tady ireny. Mponina eny amin’iny faritra Ambohimanarina iny ity lehilahy ity, raha ny filazan’ny olona. Efa tamin’ny andron’ny valo martsa lasa teo, no tsy hita tany nanjavonana ny lehilahy. Ary tamin’io alahady io no hita teny Morondava, Antehiroka ny vatana mangatsiakany. Ny rehetra dia samy nihevitra avokoa fa novonoina ho faty ity lehilahy ity, ary avy teo mety ho natsipy tanaty rano. Iaraha-mahalala, fa tamin’io fotoana io no nandalovan’ny andro ratsy, izay nampiakatra ny rano. Ka mety ho nentin’izany sy navelany teny amin’ny toerana nahitana ny fatiny. Tsy vitan’ny novonoina anefa fa mbola nampijalijaliana ihany koa, izay toa manaporofo izany ny nifiny niongotra tanteraka sy ny fivontosan’ny filahiany. Nentina notsirihana teny amin’ny tranom-paty ny razana, ary nomena ny fianakaviana avy eo. Raha ny fantatra, dia efa manomboka mihasimba ny razana, ka tsy nandrasana ela intsony fa ny talata lasa teo ihany dia efa nalevin’ny fianakaviana. Efa noraisin’ireo mpitandro filaminana an-tànana kosa ny raharaha, hahafantarana ny marina mahakasika ity vono olona ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici