
Niainga tao Morondava izy ireo ny alahady maraina tokony ho tamin’ny enina ora, nanao ny asa andavan’andro dia ny miandriaka an-dranomasina izany. Ny hariva, amin’ny fotoana fodian’izy ireo dia ny 12 ihany no tonga an-tanety ary tsy hita popoka ny ambiny. Teo dia efa nikoropaka ny iray tanàna kanefa tsy nisy azo natao satria tafiditra tao an-toerana tanteraka ny andro ratsy ary nihetsika be ny ranomasina. Nivory koa ny manam-pahefana ary nanapa-kevitra fa ny maraim-ben’ny omaly dia hahetsika ny sambo haingam-pandeha hitady azy ireo. Omaly ihany dia ny nisy ny fampitam-baovao avy amin’ny ministeran’ny jono fa hita ireo 12 lahy ary avotr’aina avokoa izany ireo 20 lahy mpiandriaka. Mila ampiana ny fomba fampahafantarana ny toetry ny andro ho an’ny mpiandriaka. Matetika mantsy dia manana ny fomba fijeriny izay matetika ara-drazana koa ireo momba izany ary tsy miankina firy amin’ny vinan’ny toetry ny andro ofisialy.
D.R