- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversMorondava : Ben’ny tanàna voatafika, lasan’ireo jiolahy ny basy sy ny vola

Morondava : Ben’ny tanàna voatafika, lasan’ireo jiolahy ny basy sy ny vola

Notafihan’ny jiolahy nirongo basy ny ben’ny tanànan’Ampanihy (Mahabo – Morondava) ny volana jona lasa teo. Niisa valo ireo mpanafika ary nandroba vola, firavaka sarobidy ary ny basin’ity ben’ny tanàna ity. Nisy olona roalahy noahiahian’ny mponina ho tafiditra tamin’io fanafihana io satria nampiahiahy ny maro ny fihetsiny. Taorian’izay dia nandositra avy hatrany tany Morondava ireo olona roa ireo. Nanoloana izany dia nisy ny fanangonan-tsonia nataon’ny fokonolona izay nitory ireo olona ireo, satria talohan’ny fanafihana io ben’ny tanàna io dia nisesisesy ny fanafihana mitam-piadiana tany an-toerana. Noho ireo olona ireo nandositra nankany Morondava anefa dia nanjary ny mpitandro filaminana tany an-toerana indray no nandray an-tanana ny raharaha. Efa am-bolana maro taty aoriana tsy nisy fivoarana ny raharaha, nisy fotoana aza niverina tany Ampanihy ireo olona noahiahian’ny fokonolona.

Fitoriana. Ny talata lasa teo anefa dia zavatra hafa indray no nitranga, satria lasa ilay ben’ny tanàna indray no nisy nitory. Voaantso teny amin’ny Fitsarana tao Morondava ny tenany, satria hatolotra ny Fampanoavana ireo roalahy ireo. Ary taorian’izay dia naiditra am-ponja vonjimaika. Ny harivan’io ihany anefa dia voalaza fa nisy nitory indray ilay ben’ny tanàna, ka ireo olona voarohirohy ireo ihany no nitory azy. Omaly ihany dia efa niakatra Fampanoavana ny raharaha ary mbola miandry ny tohiny ny rehetra. Mampanahy ity ben’ny tanàna ity izany fitoriana izany, koa manaitra ny sain’ny tomponandraikitra ambony izy sy ny fokonolona ao an-tanàna mba hijery akaiky ny raharaha, satria toa ilay voatafika indray ity no torian’ireo olona ahiahiana ho nanao ny fanafihana.

A.R.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser