- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorondava : Botry navarin’ny andro ratsy, tafakatra fito ny maty

Morondava : Botry navarin’ny andro ratsy, tafakatra fito ny maty

Taorian’ny andro ratsy tampoka, namely ny moron-dranomasin’i Morondava ny andron’ny alahady sy alatsinainy teo, ka niteraka fihilanan’ny botry iray, handeha hiditra ny seranan-tsambo, dia fantatra fa efa nitombo hatrany amin’ny fito ny isan’ireo namoy ny ainy, loza mahatsiravina nitranga ny andron’ny alatsinainy hariva teo. Araka ny angom-baovao azo avy any an-toerana dia mbola misy olona roa, lehilahy iray sy vehivavy, no tsy mbola hita hatreto. Nisy telo tamin’ireo olona teo ambonin’izany botry izany kosa no avotra soa aman-tsara ary nahitana faharatrana ary mbola mitsabo tena any an-toerana. Araka ny vaovao azo hatrany dia mbola botry vaovao izy ity, mitondra ny anarana hoe « Port des mers ». Tsy mbola vita akory ny efitra tao anatiny, hany ka voatery teo amin’ny « pont » na teo amboniny avokoa ireto olona tra-doza ireto. Tamin’io andron’ny alatsinainy hariva io dia nifofofofo be ny rivotra ary niakatra tampoka ny ranomasina. Nandray fepetra ny hampiditra an-tseranana azy avy hatrany ny kapitenin-tsambo kanefa tamin’izay fotoana izay no nentin’ny onja nihilana ilay sambo kely ary nanjera ireo olona teo ambony tao anaty rano. Nisy ihany ireo niezaka nitsoraka avy hatrany tanaty rano nanavotra ny ainy, saingy nisy ihany koa ireo tavela teo amboniny, natelin’ny ranomasina. Mbola mandeha moa ny fikarohana ireo tsy mbola tsy hita hatreto any an-toerana, ataon’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy any. Marihina fa ankoatra ity botry namono olona maromaro dia efa nisy zazalahy kely iray ihany koa no namoy ny ainy, nentin’ny ranomasina, vokatr’izay andro ratsy izay hatrany, raha nilalao teo amin’ny toerana antsoina hoe Nosikely. Ankoatr izay dia nisy lakana iray avy any Belo sur Mer ihany koa vaky, raha handeha hamonjy an’i Morondava. Soa ihany fa avotra avokoa ireo olona tao anatiny, araka ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici