Dahalo rain-dahiny iray fantatra amin’ny hoe « Libra » na ihany koa fantatry ny maro amin’ny hoe « Lemity » no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarin’ny Belo Tsirihibihana ny herinandro teo. Mbola nahatratrarana ody gasy marobe moa tany aminy tamin’ny fotoana nisamborana azy. Fanafody entiny manafika rehefa mampiseho ny maha-dahalo azy.
Asan-dahalo, halatra omby, vono olona, doro trano … Marobe ihany ny vesatra anenjahana ity dahalo rain-dahiny ity, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena. Raharaha tany amin’iny taona nivalona iny no nahavoatonontonona foana ny anarany, antony nikarohan’ireo mpitandro filaminana azy hatramin’izay. Ny fiantoambohan’ny taona 2019 tany ho any mantsy dia nitrangan’ny halatra omby niharo vono olona tao amin’ny kaominina Anakalalobe, distrikan’i Belo Tsiribihana. Tsy vitan’ny nalain’ny tariky ry Lemity fotsiny mantsy ny omby fa mbola nodorany tsy nananany antra ny tranon’ireo lasibatra. Nisy olona novonoin’izy ireo an-kitsirano ihany koa, talohan’izay. Rehefa nandray an-tanana ny raharaha ireo mpitandro filaminana ka nanao ny fikarohana dia fantatra tamin’izay ny anaran’ilay olona tompon’antoka tamin’io tranga mahatsiravina io niaraka tamin’ireo mpiray tsikombakomba taminy. « lehilahy iray 23 taona antsoina hoe « libra » izay fantatry ny maro amin’ny hoe « Lemity » no nosamborina avy hatrany » hoy ny fampitam-baovao. « Araka ny fantatra, ity Lemity ity dia dahalo malaza ary efa nifampitadiavana teny an-toerana ». Taorian’ny fakàna am-bavany azy moa dia natolotra avy hatrany teny anivon’ny Fampanoavana tany an-toerana ny lehilahy. Nandray fanapahan-kevitra avy hatrany ireo mpitsara mpanao famotorana ny hampidoboka azy ao amin’ny fonjan’i Morondava. Mbola mitohy kosa etsy an-danin’izay ny fikarohana ireo namany hafa nahavanon-doza.
m.L