- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Dahalo roa matin’ny fitsaram-bahoaka

Morondava : Dahalo roa matin’ny fitsaram-bahoaka

Ny 12 jona teo, ireto malaso no nanafika tao Bemanonga Distrikan’i Morondava. Tsy nanaiky lembenana ny fokonolona teo an-tanàna fa nanohitra an’ireo andian-dahalo nandroba ny ombiny, ka raikitra ny fifandonana. Tao anaty sakoroka dia voasambotry ny mponina ny roa tamin’ireo malaso, raha vaky nandositra kosa tsy nahazo na dia tamingana omby iray ireo namany. Teny an-dàlana hoentina any amin’ny Zandary ireto olon-dratsy tratra  nifatotra  tànana, no nisy andian’olona tsy nahafehy ny hatezerany intsony avy hatrany dia nanindrona antsy an’ireto dahalo roalahy voatondro ho rain-dahiny amin’ny halatra omby arahina vono olona sy fanolanana. Maty tsy tra-drano tsy tonga teny amin’ny tobin’ny mpitandro filaminana akory ireo malaso, ary nihijika eraky ny  arabe ny rà, hoy ny vaovao.

Faratsiho: Dahalo telo mitam-piadiana avy nanafika mpivarotra, matin’ny fokonolona. Avy nanafika mpivarotra mandeha  namonjy tsena, tao amin’ny fokontany Lohahevitra any amin’ny kaominina Miandrarivo ireto dahalo no nifanenjehan’ny fokonolona ka voasambotra, ary niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany, ka maty tsy tra-drano noho ny vono sy daroka nihatra tamin’ireto olon-dratsy. Naratra mafy kosa ilay mpivarotra voatafika ka mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao. Marihina fa nirongo basy vita gasy ireo dahalo, saingy tsy nanaiky lembenana ny fokonolona.

Nangonin’ i Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici