Nitrangana fitsaram-bahoaka indray tany amin’ny Distrikan’i Morondava, renivohitr’i Menabe, afak’omaly hariva, tokony tamin’ny dimy ora, ka roa lahy tamin’ireo daholo telo nanafika tao Marovoay, any amin’ny kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, no matin’ny Fokonolona. Na dia mafy aza ny fifandonana tamin’ireo malaso nitam-piadiana nangalatra omby miisa dimy, dia tsy nanaiky mora tamin’ny fandrobana nataon’ireo dahalo (mahery) ny vantan-dehilahy matanjaka teo an-tanàna, fa nanohitra hatramin’ny farany an’ ireo olon-dratsy. Na dia naratra mafy aza ny dahalo iray, dia mbola afaka nandositra, ka mbola karohina fatratra hatramin’izao, raha ny tati-baovao voaray farany.
Eric Manitrisa