Tontosa ny fihaonambe narahana fiaraha-misakafo tao amin’ny hotel Restaurant les Bougainvilliers Morondava ny “officiers de police” izay mivondrona ao amin’ny fikambanana “Collectif des Officiers de Police de Madagascar”(COPM), izay notanterahina ny 31 may lasa teo. Lohahevitra nodinihana tamin’izany ny ireo vina 3 nosoritan’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka, izay tsy maintsy ho tanterahina dia ny ady amin’ny kolikoly, ny fampanarahana ny fitsipi-pifehez ana ary ny ady amin’ny asan-jiolahy. Mila officiers mandray andraikitra izy ireo manoloana io teny filamatra io ka hatolotra ny Minisitra izay fehinkevitra tapaka ary tsy maintsy hitohy ny fitetezam-paritra hampatsiahivina ny fitsipi-pifehezana ao amin’ny polisim-pirenena.
ALEM