- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Drakaka 80 kg sarona nongiazana

Morondava : Drakaka 80 kg sarona nongiazana

Voararan’ny lalàna nanomboka ny volana jolay hatramin’ny faran’ny volana oktobra izao, izay fotoana fanatodizan’ny drakaka, ny fitrandrahana azy. Nandritra ny fisafoana nataon’ny mpiasan’ny minisiteran’ny jono any amin’ny Faritry Menabe, ny alahady maraina teo, dia drakaka milanja valopolo kilao no tra-tehaky tao amin’ny tsena Bazaribe-Centre, tsena ao Morondava tampon-tanàna. Taorian’ny fahavitan’ny taratasy fitanana an-tsoratra rehetra, izay natao teo ambany fiahian’ny filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’i Morondava, dia natolotra natao laokan’ireo voafonja mamita sazy ao amin’ny fonjaben’i Morondava ireo drakaka.
Enga anie mba tsy hivily lalan-kafa, na koa hamidy hahazahoam-bola, fa tena tonga tokoa any amin’ireo voafonja ireo drakaka nongiazana. Natao ho an’ny rehetra ny fampiharana ny lalàna, ary tsy hoe sanatria miaro ny ratsy, fa mahavalalanina ny mpanara-baovao sy olom-pirenena ny zava-misy eto amintsika. Raha ny madinika no tratra, mihantra avy hatrany ny sazy sy fisamborana. Ny an’ireo mpanam-bola na vahiny kosa vita amin’ny resaka ambony latabatra ny raharaha amin’ny fahatratrarana mpanondrana an-tsokotsoko harena an-dranomasina. Mahery ny vola !

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici