Mbola faritra mena amin’ny asan-dahalo ny Faritra Menabe mandrak’ ankehitriny. Ny alahady naraina teo tokony ho tamin’ny dimy ora, dia nandravarava indray ireo andian-dahalo mitam-piadiana, ka omby 60 mahery sy sarety ampolony no lasan’ny malaso 25 lahy, tao an-tanànan’ Ankiliabony ao anatin’ny Fokontany Misokitsy, any amin’ny Kaominina ambanivohitry Befasy, Distrikan’i Morondava. Tsy vitan’ny nandroaka ireo omby tian’izy ireo teo an-tanàna ireo mpanani-bohitra, fa naka entana maro isan-karazany zakan’izy ireo, izay nentina tamin’ireo sarety vao avy norobaina. Raha vao niditra ny tanàna ireo andian-dahalo dia nanapoaka basy avy hatrany sy nanao tifitra variraraka, ka vaky nandositra ny ankamaroan’ny olona. Nandritra ny fanafihana tao an-toerana, iray maty, ary olona dimy hafa naratra mafy voatifitra sy nofirain’ny dahalo ny famaky, ka vehivavy ny iray izay voakapa famaky teo amin’ny hatony. Raha ny tati-baovao voaray, dia omaly naraina vao nisy fiara avy ao Morondava nidina tany an-toerana nitatitra ireo naratra hamonjy hopitaly, satria lasan’ny mpandroba avokoa ny sarety izay fitaovam-pitaterana misy any an-toerana tokony ho nitondrana an’ireo niharan-doza.
Eric Manitrisa