- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Fihinanana sokatra an-dranomasina, tafakatra 4 ny maty

Morondava : Fihinanana sokatra an-dranomasina, tafakatra 4 ny maty

Tafakatra efatra ankehitriny ny maty noho ny fanampoizinana ara-tsakafo vokatry ny fihinanana sokatra an-dranomasina, tao Belo sur Mer, distrikan’i Morondava, ny 06 mey lasa teo. Raha ny tati-baovao voaray, olona  niisa 67 no nihinana ity hazan-dranomasina ity, ary ny 54 no narary, ka efatra tamin’ireo no namoy ny ainy, dia zaza 11 volana, zaza 1 taona sy tapany, zaza 6 taona ary olon-dehibe 70 taona. Taorian’ny loza dia nidina tany an-toerana ny tompon’andraikitra avy any amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana, sy ny mpiasan’ny Fahasalamana Morondava notarihin’ny Talem-paritry ny Fahasalamana nijery ny zava-misy sy nitondra fanafody nitsaboana ireo olona marary. Novoriana ny fokonolona ho fampahafantarana ny fandraran’ny lalàna ny fanjonoana fano noho izy io anisan’ny biby arovana sy tsy azo hanina, satria misy poizina mahafaty any anatiny. Afak’omaly, nisy ny famoriana ny tompon’andraikitra maro ao Morondava ho fanamafisana ny fisorohana izay mbola ho mety fisehoan’ity tranga ity any aoriana, ary nohazavaina tamin’izany ny andraikitry ny tsirairay ho fisorohana ity tranga ity, satria tsy ho vitan’ny mpiasan’ny fahasalamana irery ihany izany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici