Hentitra ireo mpitrandro ny filaminana amin’ny fampiharana ny lalàna mikasika ny jono sy ny fitantanana ny harena anaty rano mba ho fiarovana ny harem-pirenena amin’izao fotoana izao. Foza 75kg natao tao anaty gony no tratehaky ny Zandary avy aoamin’ny Borigade miandraikitra ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana na « Brigade de la police routière » ao Miandrivazo tao Bemanonga, distrikan’i Morondava ny 03 septambra 2019 tamin’ny 3 ora tolakandro.Nogiazana avy hatrany ireto biby ireto satria araka ny lalàna dia mbola ao anatin’ny fotoana voarara tsy hitrandrahana sy hivarotana ireto hazandrano ireto izao fotona izao. Izany fandrarana izany dia voafetra ho manomboka ny 01 aogositra ka hatramin’ny 31 aoktobra 2019.Fotoana izay tokony hanatodizan’ireo biby ireo ka hampitombona taranaka azy ireo. Ny fanadihadiahana natao tamin’ireo olona voalaza fa tompon’ireto entana ireto no nahalalana fa nalaina tany Maromafandilia ireo foza ireo. Ity toerana ity izay fantatra fa tena kizo ary tsy dia araky ny tompon’andraikitry ny jono sy na harena anaty rano loatra. Noho izany dia nomena ny Biraom-paritry ny Jono any an-toerana ny raharaha. Ity farany izay tokony handray ny andraikiny hisahana ny momba ireo biby ireo satria mbola velona soa aman-tsara avokoa ka tokony haverina haingana any amin’ny toerana niaingany. Iaraha-mahalala fa « mangroves » na honahona no itoeran’ireto foza be na drakaraka ireto. Toerana izay arovana mafy ary maha saro-piaro ny mpiaro ny tontolo ianana noho izy tena iankinan’ny harem-pirenena loatra ka tokony harovana mafy. Noho io antony io dia manentana hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny vondron’olona ifotony sy izay voakasika amin’izany ny mpitandro ny filaminana sy ireo minisitera misahana izany mba samy hifarimbona amin’ny fiarovana izany harem-pirenena izany.
T.M.