Nanao asa soa no antony nahatongavan’i Romaric Parel teto Madagasikara. Niaraka tamin’ny fofom-badiny Hana izy tamin’ity diany teto amin’ny nosy ity. Tany Morondava, ny 6 janoary teo, raha niaraka tamin’ny mpitarika mpizaha tany maromaro sy mpitsabo namana iray hafa, izy roa, no nisy varatra nilatsaka tampoka ary nandratra azy ireo. Voa mafy i Romaric Parel, mpianatra ho mpitsabo ao Nancy (Lafrantsa) ary tsy tàna ny ainy na noezahina notsaboina tao amin’ny hopitaly tao an-toerana aza. Ny fofom-badiny kosa mba avotra ihany rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza. Tsy hita loatra ny fanazavana entina amin’ilay tranga noho izy loza voajanahary. Raha ny fantatra dia efa mamarana fianarana io teratany vahiny io ary efa manana anjara asa amin’ny ampaham-potoana eo anivon’ny hopitaly ao Doubs (Besançon) aza izy raha araka ny fanamarihan’ny gazety vahiny. Amin’ny alarobia izao no hotontosaina ny fandevenana azy ao Nancy raha araka ny filazàna manjo izay nalefan’ny fianakaviany. Isan’ny fanabeazana tokony hataon’ny manam-pahaizana ny fialàna amin’ny loza ateraky ny varatra. Betsaka ny olona no tsy mahafantatra izay tokony hatao rehefa misy oram-be. Isan’izany ny tsy tokony hialofana ao ambany toerana avo : ny hazo, ny rindrim-by sy izay rehetra mety ho avo. Isan’ny kendren’ny varatra mantsy ny toerana ambony ary mazava ho azy ary mandeha amin’izany ny herinaratra. Raha toa ka miankina na sendra ao ambaniny dia ho tratry ny herin’ilay varatra. Isan’ny tokony hatao isaky ny misy oram-baratra ny fanidiana ny varavaran-kely sy ny varavarana. Misintona azy ireny ny fisian’ny hafanana ao anaty trano (mety ho fofon’aina fotsiny dia efa manintona) ary koa ny herinaratra miasa ao anatiny. Ankoatra izay, raha sendra tavela any ivelan’ny trano dia ny mipetraka ao anaty fiara no tsara indrindra. Ireny fitaovana ireny mantsy dia efa misy fandri-baratra hatrany amin’ny nanamboarana azy. Tsara ihany koa ny manao kiraro mba tsy hipetaka mivantana amin’ny tany ny tongotra. Ny tany dia mandray herinaratra avy amin’ny varatra. Farany, raha tena tsy misy nialofana mihitsy, any amin’ny toerana tsy misy trano ohatra, dia ny miforitra amin’ny tany ary mandray ny tongotra roa no tsara indrindra. Raha sanatria mantsy ka manafika ilay varatra dia mba mandalo mizotra fotsiny amin’ny vatana izy vokatr’izay fa tsy tafajanona ny herinaratra entiny.
D.R