- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Gadra fitolahy nikasa hamaky fonja

Morondava : Gadra fitolahy nikasa hamaky fonja

Tsy lasa lavitra dia voasambotra sy voafehin’ireo mpandraharahan’ny fonja tao Morondava, ireo gadra fitolahy nikasa ny hitsoaka izany toeram-panarenana izany. Ny sabotsy lasa teo tokoa mantsy, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny Ministeran’ny Fitsaràna, dia nisy ny fikasàn’ny gadra maromaro hitsoaka ny fonja nitazomana azy ireo tao Morondava. Tokony ho tamin’ny iraika ambinifolo latsaka fahefany atoandro teo, nanararaotra ny fotoana fampidirana sakafo tao an-toerana ireto fitolahy ireto, ary niezaka nanao amboletra ny vavahady fivoahana. Ny efatra tamin’izy ireo dia voafehy sy voasambotra ihany teo amin’ny tokontany, raha iny izy ireo handeha hihoatra ny tamboho iny. Ny telolahy kosa, izay efa tafahoatra izany dia voatery nanaovana tifi-danitra vao nety nijanona tamin’ny fitsoahany ary nosamborina teo no ho eo avy hatrany. Efa nandray ny andraikiny tamin’ny famerenana indray ireto gadra nikasa ny hitsoaka ireto moa ireto tompon’andraikitry ny fonja tany an-toerana.  Tsy misy arak’izany, hoy ny vaovao, ireo gadra tafatsoaka ary efa samy tafaverina avokoa izany. Nilamina kosa ny toe-draharaha taorian’izay ary nezahina namafisina ny fiambenana ny fonja.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici