- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Grenady nifono sachet, nisy nahita

Morondava : Grenady nifono sachet, nisy nahita

Afa-doza ! Soa ihany fa nalaky niantso mpitandro filaminana ilay zaza nahita ity fitaovam-piadiana mahery vaika ity fa tsy nimendimendy hikitikitika. Tany amin’iny distrikan’i Morondava iny ny faran’ny herinandro lasa teo, grenady karazany « offensive » no nisy nahita teny an-tampon-tanety, nifono tao anaty harona plastika. Tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany teo ho eo, tao Ankisirasira, distrikan’i Morondava, ny sabotsy lasa teo : zaza nilalao no sendra nahita ity fitaovam-piadiana ity. Angamba efa mba nahita horontsary ihany izy ka mailo avy hatrany raha nahita ilay vy kiboribory izay miendrika toy ireo grenady hita anaty horonantsary ireny. Nihazakazaka nampandre ireo mpitandro filaminana avy hatrany ity farany. Raha vao nandre ny vaovao moa ireto farany dia nidina avy hatrany teny amin’ny toerana nisy io fitaovana io. Rehefa nojerena tokoa dia fantatra fa tena grenady ilay hitan’ilay ankizy. Napetraka avy hatrany ny fepetra sy paik’ady rehetra tsy hanatonan’ny olona ity fitaovam-piadiana ity ary nantsoina teo ireo tekinisianina avy amin’ny Tafika, mahay manokana momba izany. Fantatra teo, araka ny angom-baovao azo hatrany fa karazan’ny antsoina hoe « grenade offensive » ity farany, izay namboarina tamin’ny andron’ny sovietika. Tsy mbola nampiasaina ary tsy mbola nipoaka ihany koa. Ny tsy fantatra fotsiny dia hoe sao mba efa misy fahasimbana ireo pitsopitsony manapoaka azy ka izay vao hitera-doza. Nentina avy hatrany nogiazana tany amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana moa ity fitaovam-piadiana ary efa misokatra ny fanadihadiana mahakasika ny fiavian’izany. Marihana, araka ny fanazavàna azo fa misy karazany telo, itony grenady atsipy tanana itony : ny « defensive » (natao hiarovan-tena, dikan-teny tsotra), ny « offensive » (natao hanafihana) ary ny « spéciale » (manana asa manokana). Ny mahasamihafa azy ireo dia ny tahan’ny fanimban-javatra ataony. Ilay karazany voalohany dia somary kely ireo singa mipoaka ao anatiny saingy kosa feno potiby mandratra sy mamono izany. Ilay karazany faharoa kosa, toy ity hitan’ilay zaza ity, dia somary mahery vaika mihoatra an’ilay faharoa, satria dia manatombo kokoa ireo singa mipoaka ao aminy ka mety mahatonga fanimban-javatra goavana ao anaty toerana mihiboka. Ilay karazany fahatelo dia araka izay anarany izay hoe manana anjara asa manokana. Anisan’izany ilay mamoaka feo mankarenin-tsofina, ilay mamoaka afo mandoro, sns …

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici