- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Kamio nivadika, rangahy iray tapa-tongotra

Morondava : Kamio nivadika, rangahy iray tapa-tongotra

Nisehoana lozam-pifamoivoizana teny amin’iny faritra Morondava iny ny sabotsy lasa teo tokony tamin’ny 1 ora tolak’andro. Fiara iray hiakatra any Morondava no nivadika tanteraka izay fantatra fa nitondra vary 9t. Vokatr’izany, rangahy iray no tapa-tongotra , ny fiara  kosa nitsimbadika ambony ambany ary  potika tanteraka tsy nisy noraisina intsony. Araka ny nambaran’ireto fianakaviana dia potipotika tanteraka ny tongotr’ity rangahy ity ary mety hiafara amin’ny tsy fahafahana mandeha intsony mihitsy. Fantatra fa ireto vary 9t ireto no nitontona teo aminy ka izay no tena nahavoa azy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ny mpamily no voalaza fa niteraka izao loza izao , teo ihany koa ny nilaza fa  ny lalana efa ratsy. Fantatra fa mbola manohy fitsaboana eny amin’ny tombim-pahasalamana ao Antsirabe moa ity rangahy niharan-doza ity amin’izao.

FINARITRA .RAKOTO(Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici