Ny alin’ny alarobia no niseho ny tranga. Teo ivelan’ny toeram-pivarotan’ilay karàna antsoina hoe Mamod, tokony ho tamin’ny valo ora alina, no nisy telo lahy nitam-basy ary nitifitra azy avy hatrany. Tsy nisy na inona inona nalain’ireo ary azo heverina arak’izany fa fifofoana ny ain’i Mamod no nitranga. Raha araka ny fanazavan’ny komisera ao an-toerana dia nisy olona iray nanondro an’ilay karàna. Teo no ho eo ihany ny olona niaraka tamin’io mpanondro io dia nitifitra an’i Mamod ary nitsoaka izy ireo nony avy eo. Nanaitra an’i Morondava iray manontolo ity zava-nisy ity satria tsy zatra an’izany io renivohim-paritra io. Tsy mbola nisy fanafihana mitam-piadiana anaty tanàna toa izany tao an-toerana ary indrindra koa, tsy mifanalavitra ny biraon’ny polisy no nitranga izany. Teo imason’ny namany sy ny mpiasa eo anivon’ny toeram-pivarotana izay tantaniny no nitranga ilay fikasàna hamono azy. Mba avotra soa aman-tsara ihany ny ain’i Mamod rehefa tonga ara-potoana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nisy avy hatrany ny fivorian’ny manam-pahefana rehetra tao an-toerana izay mivondrona eo anivon’ny OMC (Organisme Mixte de Conception) ny ampitson’ilay tranga. Nilaza ny lehiben’ny prefektiora fa vokatr’izany dia nisy paik’ady manokana hapetraka mba tsy hiverenan’ny tsy fandriam-pahalemana toa izay nitranga. Mandeha ny savahao ireo izay tompon’antoka tamin’ity fitifirana ity. Izany dia hialohavan’ny fikaroham-baovao izay ataon’ny mpitandro ny filaminana izay miparitaka eraky ny tanàna.
D.R