- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava: May ny biraon’ny faritra, kila ny dosie rehetra

Morondava: May ny biraon’ny faritra, kila ny dosie rehetra

enin-tsary : Ravan’ny afo tao anatin’ny fotoana fohy. (Sary nindramina)
enin-tsary : Ravan’ny afo tao anatin’ny fotoana fohy. (Sary nindramina)

Kila tsy nisy noraisina intsony ny trano misy ny biraon’ny faritra sy ny prefektiora ao Morondava. Manodidina ny tamin’ny roa ora tolakandro no nanomboka ny afo izay vetivety dia nahazo vahana noho ny rivotra, sady vita amin’ny hazo rahateo ny ankamaroan’ilay trano izay efa hatramin’ny fotoanan’ny fanjanahan-tany no nisiany. Hatreto, raha ny filazan’ny olona izay miasa eo anivon’ireo birao roa karazany, dia ahiana mafy ho “court-circuit” no nitarika ny afo. Tsy nisy noraisina intsony ny dosie sy ny taratasy rehetra tao anatin’ny trano. Potika hatrany amin’ny 98% ilay toerana ary tao amin’ny biraon’ny faritra no niainga ny afo izay niitatra tao amin’ny prefektiora, raha araka ny fanazavan’ny prefen’i Morondava, Rasamoelina Andrianariliva Doris. Ankoatra ny dosie rehetra dia may tao koa ny milina sy ny solosaina. Ny tena olana aza dia isan’ny may koa ny antontan-taratasy maro izay ilaina amin’ny fanatontosana fifidianana. Na ireo hetsika isan-karazany izay mbola eo anivon’ireo birao ireo aza ny dosie mahakasika izany dia ahiana ny tsy hisiany. Isan’izany ny foara Renala andiany fahefatra izay tokony hotontosaina amin’ny faran’ny volana. Na ny solosaina misy ny mahakasika izany, na koa ny taratasy rehetra izay napetraka eo anivon’ny prefektiora sy ny faritra dia tsy nisy azo noraisina intsony. Fahavoazana lehibe ity mitranga ity. Ny trano mety ho azo amboarina ihany fa ireo antontan-taratasy ara-panjakana maro nipetraka tao izany dia tsy maintsy haverina hatramin’ny voalohany avokoa. Isan’ny olana mila vahana maika koa ny dosie rehetra mahakasika ny fifidianana, ny lisitry ny mpifidy sy ny sisa mifandraika amin’izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici