Tapa-bolana lasa izay, nisy olona nametraka fitarainana, nitory olona tsy fantatra na « plainte contre x », tao amin’ny polisim-pirenena ao Morondava noho ny resaka vaki-trano. Lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny vata fahitalaviny araka io fitarainana io.
Raha vao naharay izany ny polisy dia nanokatra fanadihadiana sy nanao ny fikarohana avy hatrany. Nody ventiny izany raha nahita vehivavy nahita vehivavy iray nividy vata fahitalavitra izy ireo omaly Alatsinainy. Nampiahiahy izy ary rehefa nanontaniana dia nitonona ny anaran’ny lehilahy iray nivarotra taminy io entana io. Teo ihany dia niroso tamin’ny fikarohana io olona io olona io ny polisy. Voasambotra teny Ankisirasira tamin’izany ny tovolahy iray 23 taona. Tra-tehaka ihany koa ny namany roalahy mpanamboatra Fahitalavitra izay niray tsikombakomba taminy. Tratra tany amin’izy ireo ny karazan’entana nangalariny, niampy boaty iray nisy ody gasy na fonoka izay fitondran’izy ireo manao ny asa ratsiny. Hatolotra ny fitsaràna ireo voarohirohy aorian’ny famotorana ataon’ny polisim-pirenena eto an-toerana.
T.M.