- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Mpampianatra novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony

Morondava : Mpampianatra novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tao an-tranony

Nitrangana vono olona nahatsiravina indray tao amin’ny Fokontany Tanambao ao an-tampon-tanànan’i Morondava, afak’omaly alina. Ramatoa iray mpampianatra ao amin’ny Ceg Centre Morondava, izay isan’ireo mpiambina amin’ny fanadinana Bepc no may kila forehitra tao an-tranony, niaraka tamin’ny entany rehetra levon’ny afo tsy nisy azo noraisina. Araka ny tati-baovao voaray, rehefa avy norobaina telo lahy nirongo fiadiana tao an-tranony ny volan’ ity renim-pianakaviana izay mitentina 10 tapitrisa Ariary vao avy nalaina tany amin’ny banky, saika hanamboarana « la croix »-m-pasana.

Fantatra endrika ny dahalo iray. Fantatr’ity mpanabe ity sy ny zanany lahy 14 taona ny iray tamin’ireo dahalo nanafika azy ireo ; izay lehilahy fotsy fihodirana voalaza fa avy any Maintirano, ka notaperin’ireo tsy mataho-tody tamin’ny alàlan’ny kapa famaky in-droa teo amin’ny lohany, ary notapahin’ireo olon-dratsy ny tendan’ity mpampianatra ity, avy eo nodoran’izy ireo ny tranony. Afaka nitsoaka nanavotr’aina kosa ny zanany lahy izay nitantara ny zava-nitranga. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana, amin’ny fikarohana an’ireo nahavanon-doza, ka hamantarana ny anton’izao vono olona tamin’ny fomba feno habibiana izao.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici