Tsy an-tanàn-dehibe, tsy ambanivohitra fa nahazo laka tato ho ato ny fakana olona an-keriny. Afak’omaly alina, tao Malaimbady Distrikan’i Morondava, dia olona telo mianaka (mpivady sy ny zanany lahy 6 taona) no nalain’ny dahalo an-keriny tao an-tranony. Rehefa dify lavidavitra ny tanàna ireo dahalo nirongo basy ny sasany, dia nasain’ireo mpaka an-keriny niverina ilay raim-pianakaviana nalain’izy ireo an-keriny, mba hitady haingana ny vola 7 tapitrisa Ariary notakian’ireo dahalo ho tambin’ny famotsorana velona ny vady aman-janany. Nanafatrafatra sy nandrahona mafy ireo mpaka an-keriny, fa tsy mila mpitandro filaminana sy Fokonolona manara-dia azy ireo, fa raha tsy izany tonga dia tifirin’izy ireo ho faty izy mianaka. Hatramin’ny omaly antoandro anefa, tsy mbola fenon’ny fianakaviana ny vola tadiavin’ireo mpaka an-keriny, ka nandrahona indray ireo olon-dratsy rehefa niantso an’ity raim-pianakaviana ity tamin’ny findainy. Taorian’izay, dia tsy tratra antso intsony ireo dahalo, raha araka ny tati-baovao voaray farany tamin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra.
Eric Manitrisa