- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Mpianatra 30 tratran’ny aretina ambalavelona

Morondava : Mpianatra 30 tratran’ny aretina ambalavelona

Noho ny firongatry ambalavelona (ambalapengitsy), nanomboka ny alatsinainy teo, any amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, distrikan’i Morondava, faritra Menabe. Taorian’ny fidinana nataon’ny Ben’ny tanàna sy ny Lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Morondava, dia  nanapa-kevitra ny mpitondra any an-toerana nampiato vonjimaika ny fianarana ao amin’ny EPP Marovoay sy ny CEG ary Lycée ao Bemanonga mandra-pahitana vahaolana. Raha ny vaovao voaray, ireo ankizivavy no tena lasibatr’ity aretin’ny maizina ity, ary efa tafakatra telopolo ireo voa, ka nisy tamin’ireo ankizy tratran’ny ambalavelona no nentina tao amin’ny FLM Bemanonga ivavahana sy ametrahan-tanana hanalana ny fanahy ratsy mangeja sy mampahery fihetsika azy ireo.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici