Anjakan’ny asan-jiolahy ny faritra maro eto Madagasikara ankehitriny toy ity niseho tany amin’ny “Allée des Baobab” Morondava ity. Mpivarotra mpanao varo-mandeha indray teto no lasibatra ny alatsinainy lasa teo. Avy nanatanteraka ny asa aman-draharaha tany amin’ny sampanana makany Belo ny mpivady iray no nisy nanakana. Jiolahy efa-dahy nirongo fitaovam-piadiana toy ny basy no nitsena azy ireo tamin’izany. Noho ny hery tsy mitovy dia tsy afa-nanaotra ireto mpivady, ratsy rahateo ny lalana ka tsy afaka nandroso aingana ny fiara nentin’izy ireo. Vokany, very ny vola maty rehetra sy ireo entana tavela tsy lafo nandritra ny tontolo andro. Taorian’ity asa fandrobana ity dia niantso avy hatrany ny mpitandro ny filaminana ireto tra-doza. Na dia niezaka ny hanatratra ireto jiolahy ary izy ireo dia tafatsoaka ihany iretsy farany. Noho ny haratsian’ny lalana dia tsy afaka mandeha mafy ny fiara ka manararaotra manao ny asa ratsiny ireto mpanaka-dalana ireto. Ny faritry Morondava rahateo dia toerana be mpizahatany ka mahatamana azy ireo.
Kanto R. (Stagiaire)