- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Mpizahatany sy tanora mpizaika notafihan’ny jiolahy mpanakan-dalana

Morondava : Mpizahatany sy tanora mpizaika notafihan’ny jiolahy mpanakan-dalana

Ankizy mpizaika, tonga tany Morondava, ary saika handeha hitsidika ny « baobab amoureux » tao Mangily no niharan’ny fanafihan-jiolahy ny talata lasa teo. Tsy vitan’izay, mpizahatany hafa ihany koa no lasibatra teo amin’io toerana io ihany, ny alarobia indray. Raha ny fampitam-baovao azo dia andian’olon-dratsy iray ihany ireto nanafika ireto, izay mitondra basy sy zava-maranitra. Raha ny mahasika ireo ankizy mpizaika, dia efa ny zoma teo izy ireo no tonga tany an-toerana saingy nikasa hijery ity faritra mampalaza an’i Bongolava ity. Teny an-dàlana anefa no sendran’ireo olon-dratsy. Saingy noho ny vintana mbola nitsiky tamin’izy ireo dia afaka teo ambany vahohon’izany ihany ireto ankizy ireto. Niezaka nitifitra mantsy ireto jiolahy ireto, saingy tsy nety nipoaka ny basy teny an-tànan’izy ireo ka afa-nitsoaka ireto farany nanavotr’aina. Tsy nahazo tamin’iny dia ireo mpizahatany tonga tany an-toerana ny ampitson’io no nifatrarany. Teo anatrehan’izany rehetra izany, dia niara-nientana ny fokonolona sy ireo mpitandro filaminana tany an-toerana, hisambotra ireto fanetriben’ny firenena ireto. Ka tsy niandry ela fa taorin’izay dia fantatra fa voasambotra ny enina tamin’ireo mpanakan-dàlana. Mbola sarona teny aminy ihany koa ny basy telo fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny : basim-borona ny iray ary basy vita gasy kosa ny roa, araka ny fampitam-baovao azo. Nentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana moa ireto jiolahy mpanakan-dàlana ireto alohan’ny hanolorana azy eny anivon’ny fitsarana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici