- Publicité -
lundi, juin 9, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Noho ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana, raikitra ny « opération »...

Morondava : Noho ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana, raikitra ny « opération » moto ataon’ny polisy

Vokatry ny tsy fanarahana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny goragora misy ataon’ireo mpitondra moto, toy ny tsy fitondrana aroloha, tsy fisian’ny jiro, ny fandehanana mafy, ary ny gaboraraka ataon’ireo mpamily fiara, ka misy amin’ireto no mamo eo am-pamiliana, izay tsy manana « pemis » akory, . . . , dia mirongatra izay tsy izy ny lozam-pifamoivoizana ao an-tampon-tananàn’i Morondava, renivohitry ny Faritra Menabe. Mba hamerenana amin’ny laoniny ny fanarahan-dalàna, dia manao fanentanana nanomboka omaly, haharitra 20 andro ny Polisim-pirenena ao an-toerana. Aorian’izay, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra nampita ny vaovao tamin’ny mpanao gazety, dia hisy ny fanasaziana mafy an’ ireo mpitondra moto sy mpamily fiara izay mbola minia mandika ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici