- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Olona telo maty voatifitra

Morondava : Olona telo maty voatifitra

Ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tany amin’ny 12 ora alina, notafiana olona enina nitondra basy ny tranon’ny lehiben’ny mpiambina ao amin’ny orinasa Sucoma Analaiva any Morondava. Vokany, maty tsy tra-drano niaraka tamina olona roa hafa ilay lehilahy. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tamin’io ora voalaza etsy ambony io, novakian’ireo mpangalatra ny varavarana ary niditra nanao amboletra izy ireo. Rehefa tao an-trano ry zalahy dia voaambana basy ny rehetra. Nasain’ireo jiolahy navoaka ny vola. Tsy fantatra anefa izay niseho na saika hanohitra ilay tompon-trano na ahoana fa avy hatrany dia nirefotra ny basy ary tamin’izany no nahafaty an’ireo olona telo. Ny roa voalaza fa vahiny sendra nandalo ary tafandry tao amin’ilay mpiambina. Nalain’ireo mpandroba ny vola ary lasa nandeha izy ireo. Nampilazana ny mpitandro filaminana ary efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser