Ny alin’ny alakamisy hifoha zoma teo, tokony ho tamin’ny 11 ora raha araka ny fanazavan’ny zandary, no nirefotra ny basy tao amin’ny orinasa Sucoma ao Morondava, orinasa izay manana ny foibeny ao Analaiva. Ny anton’izany, dia noho ny fisian’ny jiolahy fito mitondra basim-borona roa tafiditra tao anatiny. Avy tany amin’ny tafon-trano izy ireo no niditra ary tsikaritry ny mpitandro ny filaminana izay miandraikitra ny fiambenana io orinasa io izany. Nasaina nivoaka izy ireo kanefa nandà an’izany. Tsy vitan’izany aza fa, mbola nampiasa ny basy teny an-tànany ihany koa nandritry ny fandosirany. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Vokatr’izany dia lavo ny jiolahy iray izay mbola tsy fantatra anarana, raha araka ny fampitam-baovaon’ny zandary. Tsy vao voalohany no nisy fikasana hangalatra tao amin’io orinasa mpanao siramamy io. Ny fitaovana sy ny mety ho ambina siramamy ao angamba no tena lasibatr’ireo ary tena vonona ny hiady ireo mpangalatra, satria fantany tsara ny fisian’ny mpitandro ny filaminana izay miambina io orinasa io. porofon’izany ihany koa ny nitondran’ireo basy nandritra ny fanafihana.
D.R