- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMorondava : Ramatoa natao takalonaina

Morondava : Ramatoa natao takalonaina

Tsy mbola misy fandriampahalemana vanona amin’iny tapany Atsimo Andrefan’ny Nosy iny hatramin’izao, fa mbola mampihorohoro ny mponina sy mandravarava ny fananany hatrany ny malaso. Ny zoma 17 janoary teo, tao amin’ny fokontany Amasimady dia omby  200 no nangalarin’ny dahalo. Raha vao niditra ny tanàna ireo olon-dratsy dia nanao tifitra variraraka avy hatrany handemena ny sain’ny vahoaka. Vokatr’izany, tompon’omby iray no naratra mafy ka tsy maintsy nentina haingana notsaboina tany amin’ny hôpitaly. Tsy vitan’izay fa talohan’ny niotsoahan’ireo malaso  dia naka ramatoa iray teo an-tanàna ihany koa nataon’izy ireo takalonaina. Noho ny firotsaky ny orana sy toetr’andro ratsy dia nampanano sarotra ny  fanarahan-dia ny omby, ka tsy hita ny làlan’ireo dahalo.

Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser