Raikitra indray ny sakoroka, omaly tany Morondava mikasika ny raharaha SUCOMA. Fantatra araka ny vaovao voaray fa nisy ny olona namoy ny ainy, voalaza fa telo ary enina hafa maratra. Fotoana vitsy lasa izay, nisy hetsika nataon’ny mpiasa tao amin’ity orinasa ity. Hetsika nangatahana tambin-karama. Io raharaha io no fototry ny sakoroka niseho voalohany. Nisy anefa ny fandaminana nataon’ny fanjakana ary noheverina fa nilamina ny raharaha. Toa tsy nijanona teo anefa satria ny fanadihadiana nitohy hatrany ho an’ireo olona nolazaina fa voaharohirohy tamin’ny hetsika natao. Omaly, nisy ny fisamborana. Tsy nahafaly ny fiankavian’ireo voasambotra izany koa dia nandeha teny amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana ry zareo nitaky ny hamoahana ny havany. Tetsy an-daniny, hoy ny loharanom-baovao, nisy ireo mpiasa avy ao amin’ny orinasa tonga nanatevin-daharana. Ny vaovao hatrany no hilazana fa saika hanafika ny biraon’ny zandary izy ireo. Tamin’izay fotoana izay indrindra no natao ny fanaparitahana ireo olona ireo. Nampiasa ny fitaovana teny aminy ny mpitandro filaminana tamin’izay. Vokany, nisy olona telo namoy ny ainy ary enina hafa maratra mafy.
r.s.