Fandrahoana hanin-kisoa nitera-doza ! Omaly, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro tany ho any, nijoajoala ny lelafo, nanaka-danitra. Nijolofotra ny setroka mainty, nanamaloka tsy fidiny ny lanitra tao an-tampon-tanan’i Morondava. Haintrano mahatsiravina no niseho tao an-toerana, tao amin’ny kartié-n’Ampasimompera. Nisahotaka tanteraka ny olona izay samy niezaka nanao izay ho afany tamin’ny famonoana ny afo sy famonjena ireo entana, kanefa tsy mitsahatra mirehitra mandevona tsirairay ireo trano manodidina ny afo. Araka ny fampitam-baovaon’ny Depeche Taratra dia fandrahoana hanin-kisoa tao amin’ny tokatrano iray no nahatonga ny loza. Niainga avy ao ny afo, ary nihitatra tamin’ireo trano manodidina. Niditra an-tsehatra avy hatrany mpamonjy voina tao an-toerana. Somary elaela ihany vao voafehy tanteraka ny afo, raha ny angom-baovao, noho ny fahasarotana teo amin’ny resaka lalana, izay tsy nahafahana niditra tany amin’ity toerana niharam-boina ity. Nanampy trotraka ihany koa ny tsy fahampiana, tamin’ireo fitaovana fitateran-drano, nentina namonoana ny afo. Nanome tanana ny mpamonjy voina tamin’ny ity hain-trano ity rahateo moa ny teo anivon’ny Adema. Naharitra ora maromaro taty aoriana vao maty tanteraka ny afo araka izany. Marihana fa tsy nisy ny aina nafoy tao anatin’izany fahamaizana izany. Na izany aza, raha ny voalaza dia manodidina ny 10 tafo teo ho eo ireo trano may kila ary fianakaviana am-polony no rava fananana sy tra-boina. Nisy avy hatrany ny fidinana ifotony, taorian’ity voina nitranga tao an-toerana ity nataon’ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tokony, nijerena sy nitondràna fampaherezana ho an’ireo tra-boina. Misokatra rahateo ihany koa ny fanadihadiana teo anivon’ny mpitandro filaminana.
m.L