- Publicité -
vendredi, juin 6, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Tompon’omby iray maty nofirain’ny dahalo ny famaky, omby 100 mahery...

Morondava : Tompon’omby iray maty nofirain’ny dahalo ny famaky, omby 100 mahery voaroba

Nitrangana fanafihan-dahalo nahery vaika indray tany amin’ny Kaominina Analaiva, Distrikan’i Morondava, afak’omaly naraina, tokony ho tamin’ny enina ora, ka omby zato isa mahery no voaroba tao Ampandra, ary lehilahy tompon’omby iray maty nofirain’ny dahalo ny famaky teo amin’ny lohany. Raha vao nigadona teo an-tanàna ireo malaso nirongo basim-borona, tonga dia nanatona tokantrano iray sady nanapoaka basy nanao tifitra variraraka, ary nandraoka ireo omby 100 isa mahery tao anaty valan’ity fianakaviana ity. Noho ny poa-basy nirefodrefotra, dia vaky nandositra avokoa ny iray tanàna, ary tsy sahy niverina tao izy ireo raha tsy efa lasa lavitra ireo mpangalatr’omby, hoy ny fampitam-baovao azo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici