- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Tompon’omby roa maty nifampitifitra tamina basina miaramila

Morondava : Tompon’omby roa maty nifampitifitra tamina basina miaramila

Nisehoana fifandirana niafara tamin’ny fifamonoana tany amin’iny faritra Morondava iny, ny zoma lasa teo. Vokany: mpivarotra omby roa no maty nifampitifitra. Tao Analaiva no nisehoan’ity tranga ity nandritra ny andro tsena. Nifamaly noho ny antony tsy fantatra hatreto ireto mpivarotra omby ireto. Tonga hatrany amin’ny fikasihan-tanana mihitsy izany. Raha ny vaovao avy any an-toerana dia nisy miaramila tsy nanao fanamiana tonga nanasaraka ireto olona niady ireto. Nivadika zavatra hafa anefa ny raharaha fa avy hatrany dia ity nanasaraka ity no nitambaran’izy ireo. Ny iray tamin’ireo olona niady no naka ny basy teny amin’ity miaramila ity, raha ny vaovao voaray hatrany, ary dia nanapoaka izany. Samy niantefan’ny bala avokoa ireo mpifanandrina. Maty tsy tra-drano vokatr’izany ny iray tamin’izy roalahy. Naratra mafy kosa ny ankilany, saingy namoy ny ainy ihany koa nony tonga tany amin’ny hôpitaly. Tao anatin’izany savorovoro izany dia niditra an-tsehatra avy hatrany ny mpitandro filaminana, nandamina ireo olona efa saika hitroatra indray. Voamarika mihitsy aza moa, tamin’ny fidinan’ireo mpikambana avy ao amin’ny OMC, tany an-toerana fa nahitana fahasimbana vokatry ny hetraketraky ny mpanararaotra ny varavaravan’ny biraon’ny mpitandro filaminana tany an-toerana. Na izany aza anefa, milamina ny tany an-toerana raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici