Raha niara-nilomano teo izy sy ny namany no nanjavona tampoka ny tovolahy iray 27 taona, natelin’ny ranomasina. Tsy hita raha tsy adim-pamantaranandro maromaro taty aoriana, efa vatana mangatsiaka. Tranga niseho tao Morondava, ny andron’ny alahady lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia vahiny ao Morondava ireto olona ireto, izay mpiasa amin’ny orinasa iray hanamboatra tetezana any an-toerana. Telo mirahalahy izy ireo no niaraka tamin’ireo fotoana io ary nisakafo tamin’ny hôtely iray, tsy lavitry ny moron-dranomasina. Voalaza fa nilaoka henan-kisoa izy ireo tamin’io fotoana io ary taorian’izay dia nandeha nandro teny an-dranomasina. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo, raha iny hiala ny ranomasina iny amin’izay no nanjavona ho azy teo ny naman’izy ireo. Niverenena nojerana teny an-dranomasina saingy, tsy hita popoka tsotr’izao. Vetivety dia nahoraka ny vaovao. Nitangorona ny olona, tonga ihany koa ny mpitandro filaminana, na ny zandary na ny pôlisy, niezaka nandamina ny olona. Fantatry ny rehetra teo moa fa natelin’ny ranomasina izany tovolahy izany. Efa nisy mpanao antsitrika moa tonga teny an-toerana niezaka avy hatrany nitady ity olona natelin’ny rano ity. Tokony ho tamin’ny telo ora hariva tany ho any vao hita ny vatana mangatsiakany. Efa nalain’ireo tompon’andraikitra moa ny razana ary naterina teny amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly tany an-toerana. Raha ny fantatra sy voalazan’ny tompon-tany dia misy fadiny io ranomasina io, ary mety nisy nifandraisany tamin’ny fihinany kisoa izany zavatra izany. Tiana hatrany araka izany ny manamarika sy manentana hatrany ny rehetra, indrindra fa ireo mivahiny an-tanin’olona, ny amin’ny tokony hanajana hatrany ny fomban-tany na hanarahana an-tsakany sy andavany ny voalazan’ireo tompon-tany, mahakasika ny fombafomba ao amin’izy ireo.
m.L


