- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Voaroba ny fiangonana, lasa ny kaominio

Morondava : Voaroba ny fiangonana, lasa ny kaominio

Efa tsy mifaditrovana intsony ireo dahalo any amin’iny faritra Morondava iny. Ny alahady alina lasa teo dia norobain’ny andian-dahalo maromaro ny fiangonana katôlika iray tao amin’ny kaominina Bemanonga ao amin’ny distrikan’i Morondava. Tsy nisy niangana ireo fitaovana sy entana sarobidy tao amin’ity tranon’Andriamanitra ity, raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Tao anatin’izany ny zava-maneno, ny fanamafisam-peo, ny kalisy sy ireo fitaovana masina rehetra. Eny fa na hatramin’ny Eokaristia na ny kaominio aza dia nataon’ireo dahalo najifa avokoa. Ireo entana sisa tsy zakan’izy ireo dia nasavoritany sy nakorontan’ireo andian’olon-dratsy avokoa. Hatreto raha ny fantatra dia tsy nisy nahita ny nidiran’ireo olon-dratsy tao amin’ity fiangonana ity. Relijiozy iray handeha hamoha ny fiangonana vao maraina no nahatsikaritra fa efa misokatra ny varavarana. Rehefa nojerena akaiky dia ireo zavatra mikorotana ireo no nitsena ilay masera. Tsy sahy niditra ity farany fa nampandrenesina avy hatrany ny mômpera tompon’andraikitra. Tamin’io fotoana io no fantatra fa nisy nanampitsoka ny varavaram-ben’ilay fiangonana ary tamin’ny alalan’izay no nidiran’ireo olon-dratsy tao an-toerana. Efa nampilaza momba ity famakiana fiangonana ity moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana. Raha nangingina tokoa ny halatra lakolosy izay nampiraviravy tanana ireo fiangonana maro teo amintsika dia any amin’ny fandrobana ny ao anatiny indray no ataon’ireo olon-dratsy. Toy ny nitranga tao Analaiva, saingy nisy nahatsikaritra izany ka dia tsy tontosa ny asa ratsin’ireo dahalo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici