- Publicité -
mercredi, septembre 17, 2025
AccueilFaits-DiversMorondava : Zandary lehiben’ny fitsarana fiara, matin’ny lozam-pifamoivoizana

Morondava : Zandary lehiben’ny fitsarana fiara, matin’ny lozam-pifamoivoizana

Namono olona indray ny lalam-pirenena. Zandary iray, lehiben’ny Sampan-draharaha fitsarana fiarakodia ao Morondava, no namoy ny ainy rehefa navadiky ny  Peugeot 405 nitondra azy tamin’iny lalam-pirenena faha-35 iny, ny talata maraina lasa teo. Teo amin’ny Pk 432, teo anelanelan’i Bemanonga sy Marofototra, mihazo an’i Morondava iny no nisehoan’ny loza, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary avy any an-toerana. Sendra mba nivoaka, nitondra ny fiarany ity lehiben’ny fitsarana fiara tao amin’ny renivohitry ny faritra Menabe ity. Tsy fantatra kosa hatreto hoe nandeha mafy ve ity zandary ity tamin’izay fotoana izay sa nisy olana ara-teknika teo amin’ny fiara ? Ny fantatra mantsy, dia nisy fiolahanabe teo anoloany ary tsy tafiditra izany akory izy no niala lalana ny fiara nentiny. Nitsimbadimbadika ambony ambany ilay fiara, ary niafatratra tany an- tanimbary avy teo. Potika tanteraka tsy nisy noraisina ilay fiara kely. Maty tsy tra-drano vokatr’izay loza izay kosa ity tompon’andraikitra ity. Voatery nosokirina tao anatina korotam-by tao mihitsy aza ny vatana mangatsiakany, raha ny vaovao avy any an-toerana. Efa mandeha ny famotorana ataon’ireo zandary ao Marofototra mahakasika ity lozam-pifamoivoizana ity amin’izao fotoana izao. Fantatra kosa, fa niala tany an-toerana omaly maraina ny razana, ary navantana any Ambohidratrimo, toerana niavian’ity manamboninahitra zandary ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici