Mararaotra ny foana mahabe ireo mpifaoivoy eny amin’ny tsenan’Anosibe vao amraina indray ireo jiolahy anaovana ny asa-ratsiny. Lehilahy iray 2è taona no saron’ny polisy mpanao fisafoana mandeha an-tongotra raha iny izy nanendaka olona teo, ampiantsenana teny amin’ny tseanaben’Anosibe iny ny 27 aogositra maraina lasa teo. Araka ny fantatra dia efa malaza iny toerana iny. Manoloana izany dia nanamafy ny fisafoana eny an-toerana ny mpitandro ny filaminanana avy ao amin’ny kaomisaria ny Boriborintany faha-4 etsy Mahamasina ka nahazoana izao vokatra izao. Rehefa nosavana moa ity oln-dratsy dia mbola nahitana finday izay voamarina halatra ihany koa teny Noentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny poliisy etsy Mahamasina ity olon-dratssy ity ka tsy maintsy hatolotra ny fitsarana. Ankoatr’izay, zazalahy iray 14 taona ihany koa no voasambotry ny polisy rehefa tratra nanendaka teny Mahamasina ny 29 Aogositra 2023 tamin’ny roa ora tolakandro. Tamin’ity indray dia ireo polisy misahana ny fandaminana ny fifamoivoina no nahatsikaritra ity tovolahy kely ity nanao ny asa ratsiny. Tsy niandry ela fa nosamborina avy hatrany ity farany ka noentina nihazo ny biraon’ny polisy ary nomena ny sampandraharaha misahana ny zaza tsy ampy taona.
T.M.