Ny sabotsy 15 jona izao no hifidy izay ho « Amir » na filoha hitarika ireo rafitra rehetra misy eo anivon’ny Mosquée 67 ha, ireo Silamo mpino ao amin’ity Fiangonana ity. Nanambara anefa ny komity mpanomana ity fifidianana ity ; izay tarihan’ny filohany Didier Alison B.H. , ny amin’ny mety hisian’ny fanelingelenana amin’ny fanatanterahana izany noho ny olana izay tsy mety voavaha eo anivon’ny Fikambanan’ireo Silamo eto Madagasikara (FSM). Ity farany izay ifandroritana ankehitriny ny toeran’ny filoha mitarika azy. Nitranga izany, araka ny fanazavana, rehefa nisy olona iray nitonon-tena ho filohan’ny fikambanana ka hisolo ilay filoha izay mbola eo am-perin’asa. Ny mahavariana, hoy izy, dia manana taratasy fankatoavana avy amin’ny fanjakana mihitsy io olona io. Nanomboka hatreo, dia nitrangana olona foana tao amin’io Mosquée 67 ha io, izay azo lazaina fa tena fitaratra na « symbole »-n’ny Fiangonana Silamo eto Antananarivo mihitsy, hoy izy. Noho izay antony izay, dia lasa ifandroritana ny hifehy sy hitantana ity toeram-pivavahana ity. Tonga hatrany amin’ny fandefasana be sandry na « gros bras » aza ny ataon’ny sasany, araka ny fitarainany, mba hahafahana mandrombaka izany fahefana izany. Mihorohoro ny mpino rehetra, hoy izy, ary azo lazaina fa very hevitra mihitsy manoloana io olana io. Koa miantso ny fandaraisana andraikitry ny Fitondram-panjakana, indrindra ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny tenany, mba hijery akaiky izany raharaha feno fandikan-dalàna izany. Ny Filoha izay nisaorany manokana noho ny namoahany didim-panjakana nanaovana ho tsy fiasana ny andro manamarika ny famaranana ny « Ramadan » ny 05 jona lasa teo. Na eo aza anefa izany rehetra izany, hentitra ny fanambarana nataon’Atoa Didier Alison N.B mahakasika ilay fifidianana izay kasain’izy ireo hotanterahana amin’io Sabotsy 15 jona io. Tsy maintsy ataonay io fifidianana io ary manainga ireo mpino rehetra ao amin’ny Mosquée 67 ha izy mba ho avy hanefa ny adidiny amin’io fotoana io. Nanamafy izany teo anatrehan’ny mpanao gazety koa ny solontenan’ireo Mpanabe sy Manam-pahaizana Silamo, Oustrz Zacharia Mohammed sy ny solontenan’ireo mpino ao amin’ity fiangonana ity, Achille Houssen.
T.M.