
Vao maraina dia efa lozam-pifamoivoizana indray. Omaly amin’ny fotoana fandehahan’ny olona any amin’ny birao, famonjen’ny mpianatra ny sekoly ary fiantsenan’ny olona eo amin’ny manodidina no nifandona ny taxi-be sy moto, tetsy Manakambahiny. Raha ny fanazavan’izay nahita dia nisy fiara nibahan-dàlana. Niala izany ny kodiaran-droa kinanjo nifatratra tany amin’ny taxi-be iray, zotra 127. Mafy ny fifandonana ary vaky hatramin’ny fitaratry ny fiara. Ny kodiaran-droa koa dia potika tanteraka ary niafara tao ambanin’ilay taxi-be. Teo ihany dia efa hita fa tapaka ny tongotr’ilay lehilahy mbola tanora izay nandeha moto. Ilay mpamily taxi-be kosa dia nanjavona teo an-toerana vao nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Matetika izy ireny dia avy hatrany dia mandeha any amin’ny mpitandro ny filaminana noho ny tahotra hatezeram-bahoaka. Omaly tolakandro anefa aloha dia mbola tsy nandrenesam-baovao ny momba an’izany. Na izany aza ny fitsoahana sy tsy fandraisana andraikitra dia efa arahin’ny lalàna famaizana na dia tsy voatery ho izy aza no diso nandritra ny fifandonana. Matetika isehoan’ny lozam-pifamoivoizana eo Manakambahiny, indrindra ny fiolanana izay mizotra mankany Ambanidia. Eo rahateo no mba isan’ny ampahan-dàlana tsara ary anararaotan’ny kodiaran-droa na fiara isongonana. Mitera-doza matetika anefa izany.
D.R