Nandriaka ny rà teto an-drenivohitra noho ny lozam-pifamoivoizana izay nahafaty mpandeha kodiaran-droa. Tetsy Andraharo, lehilahy roa no voafaokan’ny fiara ary maty tsy tsa-drano ny iray raha namoy ny ainy teny an-dàlam-pitaterana azy eny amin’ny hopitaly ny faharoa. Vetivety dia nisy nahafantatra izy ireo. Teknisiana sy mpaka sary eo anivon’ny fahitalavitra Kolo izy mirahalahy. Handeha hamonjy fodiana izy ireo rehefa avy niasa alina no io nidiran-doza io rehefa voafaokan’ny fiara. Isan’ny tonga voalohany namangy teny anivon’ny tranom-paty ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahan-tena noho ireo namoy ny ainy izay isan’ny mpikirakira sy mpaka sary ny vaovao eo amin’io sehatra io. Niondrika am-panajàna koa ny tompon’ny orinasa niasan’izy mirahalahy ary naneho ny fiaraha-miory tamin’ny tambajotra sosialy raha vao nandre ny vaovao ratsy. Raha mbola nitodika tany amin’ity tranga ity ny sain’ny olona, vao maraina koa omaly dia nisy lozam-pifamoivoizana nahafaty mpitaingina kodiaran-droa. Io indray dia lehilahy nizotra tamin’ny làlan’ny marais Masay ary voakasoky ny fiara ny familiana ka nampianjera ny kodiaran-droa. Indrisy anefa fa tany ambany kodiarana vao tafajanona ny mpitaingina azy. Voahitsaka ary maty tsy tsa-drano. Nivarahotsana tanteraka ny mpampiasa làlana omaly, na fiara na moto, raha nandre ireto loza nisesisesy ireto. Hatreto anefa dia tsy hita izay mety ho soritra vahaolana mba hiarovana ny ain’ny mpampiasa làlana. Sempotra tanteraka Antananarivo amin’ny fifamoivoizana ary tsy voasakana ny olona ny tsy hampiasa kodiaran-droa izay hany sisa mba hahavitàna haingana ny fivezivezena. Ny taxi-be rahateo sady mitohana no ratsy be tsy mandrisika hitaingina ny ankamaroany. Raha mba handeha tongotra indray tsy misy fotodrafitrasa mifanandrify amin’izany. Vokany dia mamoaka fiara na moto izay manana ary dia samy miaritra izay fitohanana na mirisika misitsisika raha moto. Dia io matetika mitera-doza io. Miady aman’aina isan’andro ny olona amin’ny lafiny fifamoivoizana.
D.R