Notokanan’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina ny zoma misandratrandro teo teto Toamasina ny mozea vaovao ho an’ny faritan’i Toamasina antsoina hoe “Vavitiana”. Natao hampirantiana ireo kolontsaina sy ireo sisam-bakoka ary ireo harem-bakoka misy manerana an’i Madagasikara sy eto Toamasina manokana ny ao anatin’ny mozea. Vola madiodion’ny minisiteran’ny kolontsaina sy ny serasera no nanaovana ny asa fanamboarana ilay “maison Nathan” lasa “mozea Vavitiana” ity. Amin’izao fisokafany voalohany izao dia sary nalain’Atoa Jacques Faublée mpaka sary frantsay, ny taona 1938 hatramin’ny taona 1941, fony izy nandalo teto Madagasikara, miisa 7.200 eo, no aranty ao, izay sambany vao haseho eto Toamasina. Ny fiaraha-miasan’ny fanjakana Soisy sy ny fanjakana Malagasy no nahazoana ireto sary marobe momba an’i Madagasikara ireto. Tena nanan-tantara teto Toamasina mihitsy ity trano nanaovana mozea “Vavitiana” ao Ampasimazava ity, satria mbola tao amin’ity trano ity tao ambaniny no nanasitrihana ireo andevo halefa haondrana any ivelany tany aloha. Amin’ny naha-trano naorina tamin’ny tanàna voalohany teto Toamasina azy, dia tao amin’ity trano ity koa no natao ny orinasa “Aviragnet”, ny orinasa “Hachette”, ny “Banque Malgache Escompte et credit de Paris à Tamatave”, ny “Banque credit foncier de Madagascar et de la Réunion”, ary ny farany nipetraka tao amin’ity trano ity dia ny “Compagnie de messagerie maritime et Société d’industrie nationale de produits agricole (SINPA) de Madagascar”. Taorian’izao fitokanana ny mozea « Vavitiana » izao no nanoloran’ny minisitra ny serasera sy ny kolontsaina « vatsy tsinjo » ho an’ireo mpanankanto sy ny mpanao gazety tao amin’ny kianja mitafon’i Soavita notronin’ny ben’ny tanànan’i Toamasina renivohitra.
Malala Didier