Raha ny fampitam-baovao voaray hatrany dia anisan’ny nahazoan’ny Zandary ato anatin’ny vondron-tobim-pileovana Betsiboka filazana fikarohana na » Avis des Recherches, » ireo jiolahy raindahiny niisa sivy, malaza amin’ny fakana an-keriny, any amin’ny disitrikan’Anjozorobe sy Ankazobe, izay nialokaloka sy nandositra taty amin’ny faritra Betsiboka, nandritra ny volana maro. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana, fa olona tsara sitra-po no nahafan’ny Zandary eto Maevatanàna tampon-tanàna, nisambotra sambo-belona, azy sivy lahy, tany amin’ny tanàna atao hoe Befanoro, fokontan’Ambatolamby, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny herinandro lasa teo iny. Tsy niandry ela ireo mpitandro ny filaminana, fa niroso tamin’ny farahan-dia tsy nisy hataka andro, ka voasambotra ihany ireto olon-dratsy ireto. Iny efa an-dalana hihazo eny amin’ny tanànan’i Marotaolana iny, ireo Zandary, izay nitondran’ny jiolahy dia nanao krizy hafahafa ny iray tamin’ireo, ka tsy tana intsony ny ainy ary tsy afaka manohy ny asa ratsiny ihany koa. Ao anatin’ny fanadihadiana sy fanohizana ny famotorana ny Zandary hatreto, ary manao ny fikarohana ny jiolahy mbola tsy azo.
Ratantely