- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMpamaky fasana : Ny taolam-balon’ny namany ihany no nangalarin’izy ireo

Mpamaky fasana : Ny taolam-balon’ny namany ihany no nangalarin’izy ireo

Efa nandrasan’izy ireo fotsiny ny fatin’ity namany ity, hihintsana ny nofony. Rehefa tonga ny fotoana dia avy izy ireo nangady ny fasana ary naka ny taolany.

Lehilahy miisa roa no voasambotry ny pôlisy ny faran’ny herinandro lasa teo noho ny resaka halatra taolam-paty. Taolana milanja 20 kilao be izao no tra-tehaka teny amin’izy roa lahy, rehefa nosavaina ny gony nampiahiahy nentin’izy ireo. Tao amin’ny fokontany Sahalaza, ao amin’ny kaominina Mahasoa, distrikan’Ihosy moa no nitrangan’izany zavatra izany. Nentina natao famotorana avy hatrany izy ireto ary tamin’izany no nahafantaran’ireo mpitandro filaminana tranga hafa kely. Fantatra mantsy fa an’ny olom-pantatr’izy ireo ihany ireto taolam-paty nolanjalanjaina sy saika habizina. « Tamin’ny fanadihadiana no nahalalana fa tamin’ny nahafaty io namany io dia niandry faty izy ireo ary rehefa nalevina ity namany ity dia nojeren’izy ireo tsara ny toerana misy azy ao am-pasana »,  hoy ny fampitam-baovao. Niandry fotoana elaela izy ireo nony avy eo, naminavina fotsiny ny fotoana tokony hihintsanan’ny nofony ary tamy tamin’izay naka ny taolana. Moa va tsy toy ireny hoe mamboly ireny ka miandry ny fotoana hiotazana ny vokatra sisa ? « Rehefa tonga moa ny fotoana tokony hakàna ny taolan’ilay razana dia novakin’izy ireo fasana ary nalain’ireto farany ny taolam-balon’ilay namany ». Niaiky tanteraka ny heloka nataony moa izy roa lahy ireto, nandritra ny famotorana. Izany tokoa ny hoe minamana amin’ny mpamaky fasana sy mpangalatra taolam-paty ka miandry mahazo fotsiny sisa ataon-dry zalahy rehefa maty ny tena. Tsy naka nitady lavitra mihitsy …

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici