- Publicité -
jeudi, juillet 10, 2025
AccueilFaits-DiversMpamaky fiara : Ireo mody mpanamboatra ihany no mpangalatra

Mpamaky fiara : Ireo mody mpanamboatra ihany no mpangalatra

Mpamaky fiara iray no voasambotry ny pôlisy teny Ampefiloha ny alarobia lasa teo, raha teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy. Tamin’ny fanadihadiana natao azy no nahafantatra fa isan’ireny mpanamboatra fiara mandehandeha sy miantsoantso eran’ny fiantsonana sy “rond point” irety ity tovolahy ity. Fiara “Sprinter” iray amidy sy mijanona eo an-toerana no lasibatr’ity tovolahy ity. Ny tompon’ity fiara ity, izay tsy lavitra teo ihany, no nahatsikaritra ny fihetsika hafahafa nataony tamin’io fotoana io. Rehefa nanatona nijery izany itsy voalohany dia rifatra nitsoaka ilay tovolahy. Rehefa nojerena akaiky dia efa tsy tratra fa efa vitany sahady ny naka ny jiro taorian’ny fiara. Nampilaza avy hatrany tamin’ny pôlisy nandamina fifamoivoizana teo akaiky teo ity tompona fiara ka raikitra ny fananjehana. Tsy lavitra akory ilay zalahy io dia voasambotra ary nentina avy hatrany natao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa mpanamboatra fiara mandehandeha no asany. Saingy rehefa tsy misy ny karama, na hoe mila kojakoja ilainy izy, dia mandeha mamaky fiara sy mangalatra. Araka ny vaovao hatrany dia efa maro ireo fitarainana voarain’ny mpitandro filaminana eny amin’iny faritra Ampefiloha iny mahakasika ny fahavakisana fiara sy ny fahaverezan’ireo kojakoja maro. Tsy eny amin’iny toerana ihany anefa fa maro ireo faritra eto an-drenivohitra no lasa faritra mena amin’ity resaka ity, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny eny Andravoahangy, Faravohitra ary Manjakaray iny. Kisendrasendra sa ? Mazàna mantsy dia eny akaikin’ireo toerana malaza amin’ny fivarotana kojakoja efa niasa amin’ny fiara sy môtô no tena itrangan’izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici