- Publicité -
mardi, août 12, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAndoharanofotsy : Mpamaky fiara tra-tehaka ambodiomby

Andoharanofotsy : Mpamaky fiara tra-tehaka ambodiomby

Mpamily tamin’ilay fiara iray efa vaky  ihany ingahy teo aloha saingy efa tsy niasa tamin’izany fiara izany intsony. Mazava ho azy fa hainy avokoa ny pitsopitsony amin’ilay fiara, eny fa na hatramin’ny paik’ady ahafahana mamoha ny capôt aza. Efa fiara roa no vaky ary efa nahazoan’ireo mpangalatra kojakoja samihafa. Soa ihany fa nisy nahatsikaritra ny zava-nisy.

Teny amin’iny faritra Mandrimena, Mahalavolona, ao amin’ny kaominina Andoharanofotsy, no tra-tehaky ny zandary ny mpamaky fiara, ny alin’ny alakamisy teo. Raha ny fanazavana azo dia nisy nahita izy nihaodihaody sy hafahafa fihetsika teo anoloana fiara mpitatitra maromaro niantsona tsy lavitry ny tobim-tsolika iray teny an-toerana. Ny mpiambina ity farany no nahatsikaritra azy ka niantso mpitandro filaminana avy hatrany. Inona tokoa fa efa nahavita ny asa ratsiny ingahy, ary efa kojakoja maromaro no azony tamin’ireo fiara roa efa vakiny. Kojakojan’ny fiara toy ny « batterie », « autoradio », « crique », sy fitaovana maro samihafa ilain’ny fiara. Voalazan’ireo mpanao famotorana fa saika mitovy avokoa ny tetik’adiny entina mamaky ireo fiara. Potehiny ny jiro aloha (globe) ary eo no isokirany hamahany ny capot.

Nentina nihazo ny biraon’ny zandary avy hatrany moa ity mpamaky fiara ity ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. Aoka ho mailo hatrany ny rehetra amin’ireo mpanao ratsy, hoy hatrany ny fanentanan’ny zandary, ary tsy hisalasala hiantso mpitandro filaminana, raha mahita olona mampiahiahy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici