Zavatra tsy dia fahita sy faheno teto Toamasina ny zavatra nanjo ireto telo lahy saika hiditra tao amin’ity tokantrano iray teto Toamasina ity. Nahatazana olona teo ambony tafo ilay rangahy mpikatroka « kung fu » Wisa, ka mba hahafahany mijoko azy dia mody natory be ny tenany, sy nierotra be mihitsy, ary nilaza tamin’ny tao an-trano mba tsy hikoropaka. Navelany niditra soa aman-tsara ireto jiolahy izay niisa telo teny an-tafotrano. Vao tafiditra anefa dia nifoha tampoka ny tenany. Raha vao nahita ity maitre « kung-fu » Wisa ity dia avy hatrany dia namely azy, hany ka nataon’ilay maitre « kung-fu » nandraingiraingy izy ireo, hany ka nikaroka ny lalana nitsoahana izy telo lahy. Vokatry ny daroka nahazo azy dia tsy tafatsanngana ny iray, fa ireo roa lahy namany tafavoaka ihany. Voatery nobatain’ilay maitre ity tovolahy tsy tafavoaka ny trano intsony, nefa vao tafavoaka dia nanaovan’ny fokonolona ny hatezerany vokatry ny fokontany iharan’ny halatra matetika. Niantso mpitandro filaminana ireto fokonolona taoriana izany, ka lasan’izy ireo tany ity tovolahy iray raha tafatsoaka kosa ny roa lahy. Taorian’izay dia nitantara ny niainany ilay maitre « kung-fu » Wisa nandritra ny fidiran’ireto jiolahy ny tranony, ka gaga avokoa ireto fokonolona noho ny fananany toe-tsaina tony amin’ny zava-mitranga toy izany.
Malala Didier





Ils sont tombés sur un OS ces voleurs là !!!!