
Omaly tokony ho tamin’ny iray ora antoandro no nisy feom-basy nanaitra tampoka ny olona. Nikoropaka ny teo amin’ny manodidina ary taitra koa ireo olona nandeha fiara izay tao anatin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana tanteraka tamin’io fotoana io. Ny zava-nitranga, raha araka ny fitantaran’izay nahita maso : « Nisy lehilahy roa nandeha kodiaran-droa ary nanambana basy ny olona tao anatin’ny fiara kely miloko mainty. Ramatoa no norahonan’izy ireo, miendrika teratany indopakistanais na karàna. Nasaina navoaka avokoa izay vola sy entana rehetra tao anaty fiara. Rehefa vita izay dia notifirin’ireo ny mpamily ilay fiara ary raha ny tsikaritra dia teo amin’ny tratra no voan’ny bala ka naratra mafy io farany ». Soa fa nisy toeram-pitsaboana tsy miankina teo amin’ny manodidina ary nentina haingana tao ilay mpamily izay tsy mbola fantatra izay niafarany omaly. Hita teo an-toerana ny taim-bala izay avy nitifirana azy. Nihorohoro ny olona rehefa nahafantatra ny zava-nisy. Samy tonga saina tamin’ny fahasahian’ireo jiolahy manafika amin’ny andro antoandro ary indrindra koa eny amin’ny kartie anisan’ny tena be olona mifamezivezy. Eo Ambodivona tokoa mantsy no isan’ny ivon-toeran’ny mpivarotra kojakoja amin’ny fiara ary koa feno mpanao asa tànana amin’ny fandrafetana piesy fiara koa. Mifanaretsaka hatrany ary tsy mifidy ora eny an-toerana ankoatra ny amin’ny alina. Tamin’ny taon-dasa dia efa nisy koa ny fanafihana amin’ny antoandro toa io ary ireo karàna mpivarotra piesy no voatafika. Mbola teo koa no nisy ilay mpanentana fandaharana amin’ny Radio izay nisy nanindrona antsy raha avy niasa. Toerana tsy mielanelana 100 metatra akory no nitrangan’ireo heloka bevava telo samihafa izay voatantata ireo. Midika izany fa miverina faritra mena amin’ny asan-jiolahy Ambodivona.
D.R