Lehilahy iray no namoahan’ny zandary avy etsy amin’ny borigadin’i Talatamaty taratasy fampikarohana rehefa tsy hita niaraka tamin’ny fiara nentiny ny alakamisy lasa teo. Marihana fa fiaran’ilay orinasa niasan’ity lehilahy ity ihany ity fiara nentiny « nitsoaka » araka ny fampilazana azo. Raha ny zava-nitranga, araka ny loharanom-baovao azo, dia tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo izy no niainga tao amin’ilay orinasa. Fiara tsy mataho-dalana, marika « Santafe », mitondra ny laharana 2884 AF kosa no nentiny tamin’io fotoana io. Voalaza moa fa hoe nasaina namita iraka ho eny Ambohibao Antehiroka ny tenany tamin’io fotoana io. Tsy niverina intsony anefa ilay mpamily hatramin’ny omaly fotoana nanoratanay. Nampandre avy hatrany ny zandary teny an-toerana ireo tompon’andraikitry ny orinasa ary dia izao namoahana fampikarohana izao ny lehilahy. Araka izany, iangaviana izay mahita azy mba hiantso avy hatrany ny laharana 034 05 700 77, na hampandre ny mpitandro filaminana akaiky azy ireo. Ireo mpitandro filaminana sendra mahita ity fiara ity kosa dia ilazàna mba tsy hampihetsika intsony azy, ary hisambotra avy hatrany ny mpamily azy. Toy izao ny mombamomba an’ilay mpamily, araka ny voalazan’ny taratasy fampikarohana navoakan’ny zandary ny alakamisy 4 jolay teo : Ramaroson Bernard Abukary, 30 taona, zana-dRamaroson Bernard sy Rajaonary Marie Francine. Tao amin’ny lot VI 25 Ambatoroka, Antananarivo no toeram-ponenany fantatra farany.
m.L